<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Raminosoa</author>
<title>Mba ekeo, ry Jeso Tompo izahay madinikao FFPM776</title>
<lyrics>[V1]
 Mba ekeo, ry Jeso Tompo,
 Izahay madinikao,
 Fa maniry te-hanompo
 Sy hanao ny sitrakao ;
 Tsy mba zaza noterena,
 Na nomena zava-tsoa,
 Fa minia manolo-tena,
 Ho Anao tokoa tokoa.

[V2]
 Tsy ny manan-kery ihany,
 Na ny lalin-tsaina koa
 No mahazo miandany
 Aminao, Mpamonjy soa ;
 Fa ny mbola zaza osa,
 Ka malemy toa anay,
 Izay mba te-hidodododo
 Homba Anao, Mpanjakanay.

[V3]
 Maminay ny fanompoana
 Izay natolotrao anay,
 Ka hataonay sasa-poana
 Izay mamily dia anay,
 Fa ny hany mba ilaina,
 Dia ny fanohananao ;
 Mba ho azonay vitaina
 Izay rehetra sitrakao.

[V4]
 Enga anie ny faniriana,
 Izay anananay izao,
 Ka harahim-pitahiana
 Sy hotanterahinao
 Dia ho feno fifaliana
 Ny fanahy anatinay,
 Ka tsy hisy hakiviana
 Hanan-kery aminay.</lyrics>
<hymn_number>776</hymn_number>
</song>